4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rotsaka - Rebika

      ROTSAKA

Tena mba mahavariana sy mahavaka

Ireo fombafomba mahazo laka

Izao indray ny zipo lasa salaka e!

Sady efa diso didy no misy daka.

    

     Ekena fa ny fandrosoana no tena tsara

     Ka manao tsy omby aloha fiavin’ny tafara

     K’ilay vaky tmpona sy ny tanan’ivoha e!

     Lasa cocorasé sy coupe garçon.

Misy ny Ray sy Reny sahiran-dava

Dia lasa manao fiainana lavalava

Ny lahy toa fetsifetsy ,ny vavy miseho ho vedettte  

Izy mianakavy ,tsy lahy tsy vavy.

REF:Dia nirotsaka,dia mangotraka

    Zary efa makadilo ,fa dridrangilo

    Miara mirona dia lasa mikata foana

    Manao farara vava mipozy lava.

Tsara sy tena ilaina ny fandrosoana

No sady jerena tsara izay hijoroana

Tsy ny hita rehetra dia mahataitra

Ka ny vokany avy eo  indray no tsy laitra .

     Mitondra mankaiza loatra ny fandrosoana

     Tsy vitsy no mimenomenona amin’izao fotoana

     Aiza nomisy sosy?Aiza nomisy mosy

     Aiza no tena izy ?vonjeo rankizy !

REF:Dia nirotsaka ............





                                          REBIKA

Partager rotsaka

Commenter rotsaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite