4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy nenina - Rebika

Raha tsapanao fa mamimamy ny any nohon'ny aty

Any ianao no mahatsiaro mahazo fy

Raha izy no azonao antoka ho doria

Tsara tso-drano, tsy hahita angano

Maharena tokantrano





Tsy misy nenina ny ahy f'efa natao

Nefa tsy afenina fa mbola tia aho

Maivana moa ny tonta raha sendra vao

Aleo miala mora, sao ho voakora

Mbola be ny tanora





Na dia efa tsara fatotra aza, aleo hivaha

Hiezaka aho ny hanatanja-tsaina fa lehilahy

Dia izay ianao ve no ataoko handreraka ahy

Ny alina aza, hiova ho mazava

Tsy ho ela dia ho rava





Angoniko ny hery rehetra ananako

Analako tsy ho aminao ny fitiavako

Sao mety hanelingelina anareo roa

Eny ampy izay, fa any an-kafa indray

Fa ny aty efa fay

Partager tsy misy nenina

Commenter tsy misy nenina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite