4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tonga ny malalany - Rebika

’Lay masoandro efa dify tery

Ny olona efa tapi-mandry

Injay nisy nisioka tao alatrano tao

Tonga ilay malalany, tonga ilay malalanao.



Tapitra hatreo ’lay nofy saika mamy niombona-tsika roa

’Lay tompo-toerana no indro fa tamy

Ataoko ahoana moa, mangina rehefa voa



Raha lasa aho dia indro ianao

Nanakatom-baravaravana

’Zaho ’rery sisa tao ala-trano tao nanarangarana



Isika moa na dia nifankatia

Izy ilay nametraka sonia

Dia izy ilay efa nisy hatrany aloha

Izaho efa faharoa, haitraitra ihany koa



Tsy afaky ny hanampatra ny fo

Ekena fa marary tokoa

Maka sary an-tsaina izay ataonareo

Mionona noho ny avy eo

Mahatsiahy ’lay aninkeo



’Rehefa lasa izy dia iverina ao aho

Aleoko dia faranana

Misy fetrany ihany ny fahazakako izao

Misy fiangarana



Sady manahy aho ny ho todin’izao rahatrizay ka manana

Ny ahy tena izy ny azy kilalao, hahazo vahana



’Lay masoandro efa dify tery ...

Tapitra hatreo ’lay nofy saika mamy ...



Raha lasa aho dia indro ianao

Nanakatom-baravaravana

’Zaho ’rery sisa tao ala-trano tao

Nanarangarana

Partager tonga ny malalany

Commenter tonga ny malalany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite