4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako loatra ianao - Rebika

Tsy andriko ny maraina hahitana anao,

Na ny alina aza toa lany amin’ny fanembonana,

Miraikitra ato an-doha ilay endrikao.

Ny tsikitsiky malefaka mampite hanoroka.



Tsy haiko ny hangina

Te hiantso mafy ny anaranao

Fenofeno fanontaniana

Ianao foana no ambavako ao,



Tiako loatra ianao

Tsy mahajery olon-kafa intsony aho

Lasanao avokoa ny fitiavako

Foiko ho anao daholo

Ny fiainako manontolo

Tsy rediredy sanatria fa tena tia.



Voaomana avokoa izay rehetra atao

Na fihetsika na fiteny handresen-dahatra anao

Indraindray aza toa miteniteny foana

Ny tsisy aza foronina rehefa ianao manoloana.



Ity foko mitepo tsy miato

Dia ianao tokoa no nambabo

Lasanao tsy nisy tavela

Ianao foana fa tsy hay fefena.

Partager tiako loatra ianao

Commenter tiako loatra ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite