4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tara aminao - Rebika



                   Tara aminao



Tsy mahateny mihitsy raha vao mahita azy

Variana sy lasa fanahy, izy ilay olona iriako

Ilay vetsovetso misoko ato anaty

Te-hiresaka nefa tsy sahy

Tsy fantany f’izy no tiako



Nihezaka ihany nanatona mora

Nanao fijery vilana akaiky, kanto sy lafatra tsara

Ny masoko roa te-hanaraka foana

Ny tongotro nefa taraiky

Tsy fantatro ianao raha ho anjara



Ny masonao malemy fanahy o!

Ny tsikinao tsy mena mitaha

Ny bikanao maha-te hizaha o!

Ianao manontolo no mahatara ahy e!



Indraindray tena sahy rehefa hiala ao an-trano

Kanefa mora lefy ihany izany, malemy ny saiko

Fa raha vao mahita azy miala any ho any

Dia gina, mihamangovitra ihany, mamindra aza tsy haiko

Omeo herin-tsaina aho ry Ray ao ambony, hahasahiako

Mba hitafa amin’iny ( 2 fois)

Inona re no ambaboko ny fony fa tiako

Valio raha tsy ho tsiny, sa hiandry izay lahatra avy any aminao o.



Indray andro tsy mahita anao

Tena mba mahasosotra ahy, mahatonga fanorisorenana

Nofy hiriako ho tena izy ianao ilay manoroka ahy

Aty aminao aho no hanorim-ponenanana.



Ilay endrikao maha-te-ho-tia

Satry foana ho eo anoloana

Tia anao aho tsy misy hanenenana

Ilay tsikinao tamin’ilay nifanena saika nahasafotra ahy

Narary fa tiako hiverenana.



Ny masonao……..



Ref : Indraindray……;

Partager tara aminao

Commenter tara aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite