4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sangy mahery - Rebika

Mivarahontsana, montsamontsana ny foko kely

Somary efa jambena, ianao mihenahena

Mankaiza ary ity izy

Misy mafy hatoka sy akoho voakapoka

Eny amin’ny sisiny

Efa miteny irery, ho izy sa ho very

Mivoaka miditra aza boredika ny vava

Marary an-doha



Ny vanin-taolako avy mangotsoka aoka izany

Miandry an-dry

Fa andro maromaro vao afa-mifangaro

Ela ery !

Adala aho tsindrian-daona, fangala-piery foana

Manirikiry

Roanjato isa-minitra ny fidoboky ny fo

Aponga kely vita, fa babo angamba moa

Fay ialahy vao voa.



Ref :

Ny afom-pitiavana nisoko ao an-tratrako ao

Tamana e !

Ny filafilanao miteny tsotra izao

Ekena e !

Ny onjanao mahery, fanahiko efa ho very

Bedaina aho dia atosika satria potipotika



Ilay orokao mangina natao fihantsiana

Hadinodinonao

Porofon’ny fanekena tsy nifanerena

Tsiambaratelo kely, hay zava-mahery



Ref :

Ny afom-pitiavana nisoko ao an-tratrako ao

Tamana e !

Ny filafilanao miteny tsotra izao

Ekena e !

Izaho mangidihidy, ianao fanalahidy

Masaka no tanjona, k’odianao mianjonanjona



Auteur : REBIKA - Compositeur REBIKA - Album VOL 6

Partager sangy mahery

Commenter sangy mahery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite