4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy vita - Rebika

Fa mamiko toy ny tantely ny fiarahana hatramin’izay,

Ankehitriny tsy lefitro intsony fa henoko misy sakay,

Niova tokoa fa tsy toy ny taloha na ny fomba fifampitondrana,

Ireo tambitamby sy ireo safosafo no lasa fivindavindàna.



Nihodivitra angaha ny zava-kinasa ka nivadika zavatra hafa ?

Hazakazaka ve ny fiainana an-tany dia ny fony koa lasany any ?(in2)

Fa nahoana e(in5)



Andray! Izato ianao hafahafa toetra,

Ny amiko mihitsy no anaovanao amboletra.(in2)



Tazako ianao nony taty aoriana niaraka tam’vahiny,

Nahazo "devant" tsy niteny gasy ny harivariva amin’ny dimy,

Hay tokoa moa ka izany no izy amin’ny tany moderina,

Raha sendra azy ka ts’isy devise aleo dia miverina e!



Nankaiza ireo lokaloka fahiny maty momoka angaha izy iny ?

Rovitra angaha ny lamba fitafy dia mivonona ny hampirafy ?

Fa maninona e ?(in5)



Lasa nankaiza tsy hita teo ?

Lasa nankaiza sa tena leo ?

Mangaihay, misentosento

Very fanahy hitan’ny havako eto.



Raha izay fitia tsy mety ho ritra

Ny ankoatr’izay aiza isika no hahita e ?(in-2)



Vazaha mi-4x4 ihany hono no tian’i rasipa,

Hanambady mahitahita avy any am-pita,

Izy no lasalasa, izaho saiky vita!



Vazaha mi-telecel ihany hono tian’i rasipa! (in-2)

Ireny angamba no hafa tsiro tsy dia fahita?

Omena tso-drano ianao aleo samy vita

Samy vita e!



Omena veloma izay tsy tamana

Ny trano bongo tsy azonao ihantana. (in4)



Vazaha mi-4x4 ihany no tian’i rasipa,

Vazaha mi-telecel ihany no tian’i rasipa ?

Ireny angamba no hafa tsiro tsy dia fahita,

Omena tso-drano ianao, aleo samy vita.

Samy vita e!


Partager samy vita

Commenter samy vita

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite