4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hiranay - Rebika

Ny hiranay ’zay kaloina

Manasitrana fo voadona

Mampahery mampitraka ireo lazoin’ny manjo

Tsy afa-bela amin’ny famoizam-po



Ny hiranay manome hafaliana

Ny hiranay misy hitsikiana

Na mahantra na mijaly vao maheno dia faly

Hoe: izay indray, ilay hiranay



Ref: Ny fiarahanay tety

Tsy voafetran’ny taona nifanesy

Na ny angolanao manako, na ny tendrinao milantolanto

Na ny feonao mamaky iny lanitr’iny

Dia lainga izay hifanadino



Tsy mba nisy izay ahy sy azy

Fa iray vatsy iray aina

Fa dia mpirahalahy tokoa, na dia tsy iray tampo

Ka tena nifankahazo am-po



’Reo namanay ’zay efa lasana

Maika dia niampita lakana

Dia nangina tsy niteny ireto sisa tavela

Ny ho avy indray no ndeha jerena



Ref

Partager ny hiranay

Commenter ny hiranay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite