4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nahoana - Rebika

Nahoana ianao no mila kisa

Kanefa ny masonao tsy mbola nahita nandritra

Izay fotoana ela izay niarahantsika tsy fanditra,

Izao toa tezi-dava sy be kitakita.



vavan’olona ve no henoina

Tonga dia noraisinao, tsy mba porofoina fa ninoana

Miziriziry amin’ny hevitra diso ianao fa mitandrema

Toa manjary mpanamarin-tena



Zary sahy namoaka teny tsy voahevitra

Raha tsy izany angamba tsy hay hoe tezitra

Mahana ny ratsy atao dia ny olona no enjehina



Nahoana ary ianao no avo vava,

Nefa tsy mba toetranao ny mivazavaza mitabataba,

Somary ento mora ihany fa tafahoatra loatra izany

Zavatra tsy misy dia teren-ko hisy



Ianao anie mbola tsy nahatratra,

Dia indro fa lasa aloha ny fanalam-baraka tsy zaka

Izany rehetra izany mbola tsy amoizako anao hatrany

Eritrereto ka saintsaino ihany.

Partager nahoana

Commenter nahoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite