4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miredareda - Rebika

Miredareda loatra ato am-poko

Mafy ilay fitia

Fa na izaho na ianao manan-tompo

Nefa mifankatia



Fa lalim-paka tokoa

Fa isika roa indray no iray fo kokoa

Noho ireo tompon-toerana, ireo

Sanatria tsy hoe hankaleo

Nefa taman-trano izay ho leo



Mahery vaika sy masiaka

Ny fitiavantsika tsy ho ritra

Asa lahy hoy aho ny ho vokatr’izao



Ny vokatra efa voaoty no mamatotra

Ny tokantrano tsirairay

Isika tsy hifanome toky satria sarotra

Ny fiarahana hatrizay



Miotrika diso masaka anaty

Inoako fa tena mandra-maty

Ilay fitia izay nangalarina

Mahery vaika tsy haiko oharina

Mafonja loatra marina,



Nefa anie isika roa tsy ho mpivady

Fa efa samy manana ny azy

Asa lahy hoy aho, ny ho vokatr’izao



Dia ilay vadinao andefomandry

Sy ny ahy koa, samy miandry

Fa samy mahalala tsara

Ny fizotry ny tantara

Partager miredareda

Commenter miredareda

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite