4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifona aho tompoko - Rebika



             MIFONA AHO TOMPOKO





Hifonako ry Tompo mahery

Ny ditry ny foko sy ny saiko

E,menatra aho tsy sahy mijery

Ny lanitra honenanao ry raiko



Ny ditry ny foko moa hatrizay

Noheveriko ho laza sy voninahitra

Meteza indray ianao re hahatsiaro

Fa zanaka nania aho ka fay



Ref:  Ny heloko rehetra aoka hivalona any

       Tompo ô ,mba aoka re tsy ho tsarovanao

        Ka ny androko sisa rehetra rahatrizay

        Dia handia indray fiainam-baovao



Mifona aho ry raiko mpamonjy

Naditra aho kanefa voavonjy

Saiky very aho no toa hita hita indray

Voakapoka mafy  aho dia fay



Nisy koa ireo zava-kinasa

Tsy mety matoy re mba asa

Tompo ô ,ampio sy tantano

Sao indray mampiditra angano



   Ref: Ny heloko...



                     REBIKA

Partager mifona aho tompoko

Commenter mifona aho tompoko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite