4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola tsy mora - Rebika

Misy afo mivaivay

Izay mba tokony hovonoina

Nandoro ahy izay ela izay ka ilako anao

Fo manam-pery anankiray

Mba iriko raha tsaboinao

Nampijaly ahy hatrizay

Iangaviako anao



Fa mbola tsy mora ny hamono

Ilay afo mahamay

Ampio re raha mba misy fitiavana

Fa mbola tsy mora ny hitsabo ahy

Matoa aho toy zao

sento kely tsindraindray dia mandratra fo

Toa ataony tsy afa-bela hoverezin-jo



Misy tantara iray

Efa iniako tsy hotsaroana

Anaty alim-pito aho vao injay mitamberina

Tandindon’izay olona izay

Hadinoina nefa tsiahy.

Adim-piainana voaray taona maro izay



Fa mbola tsy mora ny hamoha ilay fatomatinay

Hatramin’izao aho tsy mety mino  hoe

Rava ny anay

Fa mba tsy mora ny hanolo azy

Satria hatramin’izao

Mbola reko mamelovelo ao ireo taloha

Mbola injao fa mihelohelo fa tsy mety hifoha


Partager mbola tsy mora

Commenter mbola tsy mora

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite