4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba zakao - Rebika

Hay ve ianao ihany no nitady ahy izany

Ela izany vao hita indray !

Ento ny resakao fa somary sahirana ihany aho

Manam-bahiny ka miala tsiny



Henoko aloha fa nisaraka hono ’nareo

Izay sahady ve dia efa samy leo

Hitako ireny sahala amin’ny tsy ho faty

Nipitrapitra aho! Niezaka ny hahatanty….



Tsy mba noheverinao….f’efa

Voalefona tany amin’ny aty fanahy aho

Tsy mba nosaininao….f’efa

Nikasa hanao izay tsy fanao.



Angaha moa tsy ianao ihany no efa nilaza tsy mila

Nionona aho f’efa tsy tiana

Izy angamba koa no anjara hizara hafaliana

Ho anao! Fa avelao aho amin’izao….



Henoko aloha fa niteraka hono nareo

Fa vao hita kibo ianao dia lasa ny havanao

Tsy hoe mandatsa fa samia mahay mizaka

F’izay afafy ihany no jinjaina eto antany



Raha tsy noheverinao…..sahala

Amin’izany no nentiko fony nitia aho

Raha tsy nosaininao…. Tsy

Latsak’izany ny ratrako natosikao.



Raha tsy noheverinao……..


Partager mba zakao

Commenter mba zakao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite