4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manadala - Rebika

Manadala



Fiainany angamba no tsy milamina

Tsy azoko mihintsy fa mahafanina

Dia nidiranako moramora

Tato afara anefa fatsoratsotra

Tanjona anefa mba tsaratsara

Anamboatra dimby sy fara

Tsara eh! eh! eh! eh! eh!....



Nivadika ho tantara be

Fiainana ihany ka mampihome

Hay nisy koa niôm-pefy

De aty no mandrevirevy

Fetsy be eh! eh! eh!







Réf: Manao cinéma, ka maha-sosotr’ahy

     Mamandrim-pandrika, sady mandrakitra

     Inona azy ity, toa milalao fitia

     Tsy any tsy éty

     Izaho ve sa i lery?

     iiiiiiiiiii......



Efa nitsigerina izao ny taona

Mbola omaly tsy miova foana

Tsy ôtriny t@ ilay voalohany

Nahafana ny fiatombohany

Be ’reo laza nangatsiaka

Fa tonga hatrany @ paradisa

tonga eh! eh! eh! eh!



Za nefa tsy manery azy

Za ho aho tsy manao chantazy

Ny safidiniko koa malalaka

Iaraka ihany sa iarakara

Tsy aiko eh! eh! eh! ie! ie!



Ireo fahazarana teo aloha

De dinihany mihintsy aloha

Zariko kely vary @ anana

Asian’ny kitoza mahalakalana

Na week-end menimenina

Tsy misy intsony ny vantamine

Garnie i i i i i i....



Sanatria tsy takalom-patsa

Tsisy akory ny latsalatsa

Tsy maninona aleo tsy misy

Fa @ manaraka miandry gisa eh! eh! eh!

Sur eh! eh! eh!



Varotra eny an-tsena

Ka tsy ifanerena

Fitiavanao aloha

No fanafodiko

Ambongadiny tsisy fanampiny

Hilomanosana, ifanotofana



Varotra eny an-tsena

Ka tsy ifanerena

Fitiavanao aloha

No fanafodiko

Ambongadiny tsisy fanampiny

Hilomanosana, ifanotofana



R E B I K A

Partager manadala

Commenter manadala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite