4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Malahelo anao - Rebika

Malahelo ano, fa tsy hay izay ato
Novanao moramora hatrany
Ilay fitiavana no niafarany
Somary nankarary, fitia tsy hanjary
Ianao sy ny avy any aminao
Mankasitraka tsara izao

Tsy fahatsiarovana mba tsara
No napetrakao ho tantara
Fa fahatsiarovana ratram-pery
Koboniko ho ahy samirery

Ny mampalahelo ahy, ianao tena sahy
Ilay andro mba tsingerin-taonako
Toa volon'andro iray nisaonako
Manaiky anao aho
Ilay tia tsy vaovao
Tandremo ary sao solafaka
Enga anie ianao ho tonga lafatra

Tsy afaka hibanjina anao intsony
Ilay tofoka sy lonilony
Zakao ny anao sy ny hoavinao
Koa araraoty dieny izao
Izaho ilay saika nidiran-doza
Ny tsara aloha dia ny manova
Aleo indray aho mba hiantefa
Na ratsy aza fa tsara toetra
Tsara toetra

Partager malahelo anao

Commenter malahelo anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite