4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofeheziko - Nono

Nofeheziko avokoa ireo enta-kelinao

Fa fanananao,

Ilay fitaratrao tsy adinoko

Fa nataoko tsara fono ao ambany ao...

Ny firavakao tontolo ho aho,

Efa ao am-batanao...omeko anao !

Ento ireo hanaraka anao

Fa zava-tsoa ka mety tsy ho foinao.



Ny teto an-tranontsika moa,

Raha sendra ka tadidinao,

Sorisory lava izao no sady ady

Tsy nety vita moa.

Zara raha mba nisy tsikitsiky

Nifanaovantsika roa,

Fa adalàna sesilany

Mankarary an-doha...



Ilay sarinao koa,

Ilay teo an-doham-pandriana...

Omeko anao

Tsy tiako mantsy ny hijery,

Isan’andro vaky izao,

Ilay tsikinao !

Ny fitiavako adala, efitrano mamanala,

Onenako,

Avelao ireo mba ho ahy,

Ny zava-tsoa ka tsy foiko atakalo !





http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager nofeheziko

Commenter nofeheziko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite