4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fito taona - Nono

Andinin-teny roa na telo

Voasoratro tsinahy

Nisy ihany mampalahelo

Nataoko anao

Nataonao ahy



Feno taona fito androany

Ny niarahako taminao

Isika anefa eny ihany

Izaho sy ianao

Izaho sy ianao



Firifiry moa ny hadalana

Efa vitantsika roa

Ny fiainana tsy ataoko hoe tsara

Tsy azo atao hoe ratsy koa

Soa fa nisy ihany

Fitiavana indraindray

Tsikitsiky indraindray

Fandeferana



Ny lahimatoantsika roa

Herintaona izao no nianatra

Ka feno soratra avokoa

Na rindrina na fitaratra



Ilay vavy kely koa

Vao mianatra mihira

Impiry aho no bedy moa

Fa tsy nanao feo faharoa



Firifiry moa ny hadalana

Efa vitantsika roa

Ny fiainana tsy ataoko hoe tsara

Tsy azo atao hoe ratsy koa

Soa fa nisy ihany

Fitiavana indraindray

Tsikitsiky indraindray

Fandeferana



Soa fa nisy ihany

Fitiavana indraindray

Tsikitsiky indraindray

...

Partager fito taona

Commenter fito taona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite