4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada vaovao - Nono

Nivadibadika isaky alina aho

Tsy mahita tory

Miandry ny maraina

Hiposaka indray

   Manahy mafy aho ho anao

   Mbola kely loatra ianao

   Zazakely

Ny fanjakana sy ny lalàna

No nilaza izao

Ineny ihany no afaka

Hanabe anao

   Ilay Dada vaovao

   Nofinidin’Ineny ho anao

   No hanoro ny lalana izoranao

   Ilay Dada vaovao

   Nofinidin’Ineny ho anao

   No handidy sy hanapaka ny fiainanao

Rehefa mandeha isa-maraina ianao

Ho any am-pianarana

Izaho ery lavitr’ery

Mitazana , manarangarana

   Fa tena maizina atoandro ny fianako

   Tsy afa-manatona anao

   Tsy afa - manoatra

Partager dada vaovao

Commenter dada vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite