4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fony mbola zaza - Nono

Fony mbola zaza isika

Raha nilalao kanety aho

Teny ambody rindrina

Dia efa tia anao

Fitiavana madio (2)

No nandramako nomena anao

Nefa tsy niteny !



Nony taty aoriana anefa

Nisy namako izay

Nilaza taminao fa

Haka vady anao

Dia iny ianao no lasa

Dia iny ianao no tsy hita

Veloma ihany sombin’aiko

Veloma ihany !



Tsy naharitra ela anefa

Vetivety ihany

Dia iny ianao nilefa

Nitomany

Nigogogogo, nigogogogo mafy ery

Dia nilaza indray fa hoe

Ianao no tena tiako !



Tonga ary izao ny andro

Ampiakarako anao

Jereo fa tonga ny vahoaka

Hanotrona anao

Akanjo fotsy izay

Voaly fotsy iray

No natolotro anao mba

Hisaloranao



Tsy naharitra ela anefa

Vetivety ihany

Dia iny ianao nilefa

Nitomany

Nigogogogo, nigogogogo mafy ery

Dia nilaza indray fa hoe

Tsy ianao no tena tiako !



Nigogogogo, nigogogogo mafy ery

Dia nilaza indray fa hoe

Tsy ianao no tena tiako !

Partager fony mbola zaza

Commenter fony mbola zaza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite