4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ity tanako - Nono

Ity tanako


Ity tanako nanoratra ho anao
Efa reraky ny ela
Efa trotraky ny taona
Tsy hahasoratra intsony
Izay rehetra nokoboniko
Tato anatiko mavesatrin'ny alahelo

Angamba efa tsapanao
Fa ho rakotra alahelo
Ity fiananako mahantra
Toa mihamaloka indray
Sy voararimbelovelo
Raha toa tsy andre intsony irony angolanao

Refrain :

Io fitiavana io ihany
No nahatonga izany
Fantatrao fa mbola tia aho, fantatrao fa mbola babo
Fantatrao fa mbola nisy
Olona iray tsy nanadino anao
Fantarao fa nisy izany, nefa tsy nosaininao

Angamba efa tsapanao
Fa ho rakotra alahelo
Ity fiananako mahantra
Toa mihamaloka indray
Sy voararimbelovelo
Raha toa tsy andre intsony irony angolanao


Roland Rakotondrainibe.( Nono)

Partager ity tanako

Commenter ity tanako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite