4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miaka midina - Nono

miaka midina ny fiainana

mihilangilana miodina

nefa toa

tsy mbola taitra foana ianao



fa maty omaly ilay vendrana

ilay adala tao an-tanana

nefa toa tsy misy dikany

ho anao



fa mora dia mora ny mialangalana

tsy sarotra akory ny manafina

andraikitr’iza ary izany

hoy ianao



solafaka ilay tovovay

afa-baraka ny mpianakavy

nefa toa tsy mbola taitra foana ianao



mangalatra ny sasantsasany

io no ataony lahasany

nefa toa tsy misy dikany

ho anao



fa mora dia mora ny mialangalana

tsy sarotra akory ny manafina

andraikitr’iza ary izany

hoy ianao

Partager miaka midina

Commenter miaka midina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite