4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ho avy - Nono

Mbola ho avy mantsy ilay andro

Ahafantesantsika izao

Amin’izay fotoana izay izaho sy ianao



Tsy hifanatri-tava intsony

Fa hiverina ho vovok’indray

Veloma ihany sombinaiko,veloma



Raha sendra ka mbola tsy vita

’Zay rehetra nokasaina hatao

Aoka hivalona tsy ho hita fa izao:



Any an-danita any angamba

Na any an-toeran-kafa koa

N’aiza n’aiza misy anao;alehako



Na dia ho fahatsiarovana aza sisa

Ny amiko sy ny momba anao

Mbola hisy foana hitanisa ny fiananao



Mbola ho avy mantsy ilay andro

Ahafantesantsika izao

Amin’izay fotoana izay izaho sy ianao



Tsy hifanatri-tava intsony

Fa hiverina ho vovok’indray

Veloma ihany sombinaiko,veloma

Partager mbola ho avy

Commenter mbola ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite