4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lahatra - Rebika

Lahatra
Aiza ianao rahavako
Hamafa rano amin'ny tavako
Sento no mameno ny fiainako
Zay rakotra alahelo
Fa mirotsa-dava
Toa ranomason-jaza
Fahoriana ny ahy
Satria marary anao ny fanahy

Ranomaso tena fatratra
Mirotsaka mipatrapatraka
Raradraraka toa oram-pahavaratra
Indro sakaizam-pandriana
Lay havanao ô ry tiana
Ny adin-tsaina
mila tsy ho zaka zakaina

Indrisy ry malala
Zao tokoa ve no anjara
Tsy hay ialana intsony
Fa efa tora-bato avy any ambony
Zao tontolo izao
Tsy atakaloko anao
Raha voavidy koa ianao ifoazanao dia natao

Partager lahatra

Commenter lahatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite