4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaky ny reraka - Hasina

Asandratro anio ny lohako

Akariko ny fijeriko

Hibanjin'iny habakabaka

Midadasika (tsy hita faritra)

Ao no misy Anao



Ref:(2)

Ray ô!(Ray ô)

Raha sitrakao (Raha sitrakao)

Mba omeo (omeo hery aho)

Ho mitalaho (Ry Tompo ô)

Fa reraka ny fanahiko

Torovan-tsento ny fiainako eto



Sasatr'asa izany tenako

Mila hilofika ny fijeriko

Tsy mamindra intsony koa fa reraka

Mety tsy ho haiko ny marainako e



Ref:(2)


Partager vavaky ny reraka

Commenter vavaky ny reraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hasina

Suite