4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feno azy - Tarika Hasina

Aya aya aya aya...



O sinoa sy karana e

Sinoa sy karana no tena mameno tanàna

Tsy fantatra intsony e

Tsy fantatra intsony fa be ireo efa tamana e

Eny Tsaralalàna e

Feno azy e

Hatraty Behoririka

Feno azy e

Asa angamba raha mitohy e

Ho lasany hatrany Ampefiloha e

Asa angamba raha mitohy e

Ho lasany hatrany Ampefiloha e



Hmmm ny Katramy e

Katramy tsisy tany tsy misy karama

O Ratranobongo ô

Ratranobongo voatery tsy maintsy ialana

Eny ambany tetezana

Feno azy e

Rehefa mety ho tsena e

Feno azy e

Asa angamba atsy ho atsy e

Ra-Pedro tsy handray ireo lany vatsy e

Ouh asa angamba atsy ho atsy e

Ra-Pedro tsy handray ireo lany vatsy e



Ireo mpanao pôlitika e

Ireo mpanao pôlitika miandany fa dia misafary e

Tsy hitany intsony e

Tsy hitany intsony ireo kil’ maty mosary e

Fa manao afera e

Feno azy e

Raha raha miady seza e

Feno azy e

Na Ilakaka atsy ho atsy e

Tsy ho avela tandrahan-dRamalagasy e

Ouh na Ilakaka atsy ho atsy e

Tsy ho avela tandrahan-dRamalagasy e

Partager feno azy

Commenter feno azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Hasina