4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiononako - Hasina

Na tsy eo imasoko aza ianao

Dia mbola ho fiononako

Handrandraiko sy ho andrin’ny fiainako

Mba ho tena hianteherana

Ianao irery hatramin’izao no tokako



Eny fa na dia ho sarotra

Ekeko aloha ny tsy fananako

Nefa kosa raha tena hasambaranao,

Hibaliaka indray ny fiainanao



famerenana:



Tsy hitady, tsy mila olon-kafa intsony aho fa ianao

Ianao re no fiononako hatramin’izay

Dia ianao , eny ianao, ianao re no ato am-poko

Inoko fa tena ianao no anjarako



Mba mihezaka ihany ny hanadino anie aho

Tsy mety fa mifantsikao ihany

Tena miraikitra tsy afaka anaty

Ireo fihetsika niserana

Na tsy hihisy aza ireo tsipi-teny matotra



famerenana:



Tsy hitady, tsy mila olon-kafa intsony aho fa ianao

Ianao re no fiononako hatramin’izay

Dia ianao , eny ianao, ianao re no ato am-poko

Inoko fa tena ianao no anjarako

Partager fiononako

Commenter fiononako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hasina

Suite