4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara andry - Hasina

Raha hihatsaravelatsihy aleo dia foanana

ny mamitaka ny tiana amin’ny fihetsika tsy hihavanana

f’izaho dia tia ka mahatoky fa manana andry iankinana

sy hiangotingotiana

nefa voafitaka aho satria ilay olon-tiana anie

ka mpihatsaravelatsihy

tsaratsara aloha ny mifandao tsy misy maratra

dieny mbola tsy hanenenana ny hampandeferana

ilay fitiavana voarara

fa raha mitohy dia tsapa fa ho montsana ny ho aviko

sy ny ho avy manontolo

koa aleo hisinda kely ilay fitiavako dieny mbola tsy bobongolo

fa ianao tsara andry iankinana sy tanana mpanafosafo

manga habakabaka hisidinana

voatamby fitia mitafotafo

koa mamelà ahy mba hijerijery ny sahaza sy tsy hamery

ny fahantrako eo an-dalam-pivoarana

ny ngidim-piainana tsy azo anoharana

koa andeha re fa tsaratsara antsika ny mifandao

Partager tsara andry

Commenter tsara andry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hasina

Suite