4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokantrano mamy - Hasina

Ny adalana efa vitanao

Niampy trotrak'ireo ditranao natao

Kanefa mbola tantiko ireo satria

Tena tiako ianao



Izao mbola sahinao ihany

Ny nandao 'ty akany tokana mamy

Kanefa re tsy nahasakan'anao 'zany

Ny hanadino anay



Ref:

Nefa hoy aho miverena modia

Jereo ity adalanao 'rery ity

Manjeninjeny tsy mahavery dia

Miverena re raha toa ka sitrakao

Nefa hoy aho miverena modia

Jereo ity sombin'ny ain-tsika ity

Manjeninjeny tsy mahavery dia

Malahelo an-dry



Ny zaza mandraiky mafana

Toa mitondra sarin'ny fahantrana

Mahatsiaro fa banga ilay reny nihantàna

Nitaiza hatrizay



Raha ny amiko vitako ihany

Fa saingy ny zaza tsy mahalala izany

Fa zatra ireo tambitambin-dreny hatrany

TOKANTRANO MAMY



Ref:(2)


Partager tokantrano mamy

Commenter tokantrano mamy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hasina

Suite