4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa tia - Rebika

                         EFA TIA



Mbola tavela ilay nofiko omaly

Namiravira ilay endrikao faly

Hita sary tao daholo ny ho avy manontolo

Nofiko ny alina,misy latsa-paka lalina

Nofy e,toy ny marina



Miraikitra an-tsaiko any

Ireo teny lasa kalo

Ventesiko avy hatrany raha  mifanena aminao

Ainga tampoka izay

Rediredy mahamay

Hetaheta toa tsy sahy

Sora-tanana tsy nahy

an an an an,aleo hafeniko



Ref: Rahampitso ihany aho dia tsy maintsy hahita anao

      hipitrapitra toy ny zaza ka hiandry anao hilaza

      Inoako fa ny ho resakao na ny tiany hampitaina

      Dia ny tao anatinao hampionona ny saina



Ny vavako  voarara izaho tsy hitantara

Fa nahafaly ilay omaly,ilay fihetsikao voakaly

Nanatona ahy tsy niteny ,toy ireny bedy ireny

Nanganohano te hitroatra

Ny am-ponao any efa nihoatra

Hafa! tsy manam-paharoa



Ref: Rahampitso....





                     REBIKA

Partager efa tia

Commenter efa tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite