4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry aho - AmbondronA

Niantso aho, nitady anao
niherika nitoditodika
fa maizina hody amin'izay
Efa andeha ireo olona marobe
Nikaroka aho, manahy sao
efa lasana ianao
niandry koa nampitony ny fo
Sao mba izaho no tonga aloha

Refrain
Saika hitsena aho mba nanantena aho
hoe ianao efa eo niandry ahy
Efa Fantatro aloha,fa tsampanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy miandry aho


nipetraka aho nitraka kely
ny orana aza moa nitady hamely
naveriko niantso
Tsy nisy valiny velively
taitra aho sao tsy teo ianao
nanontany tena aho
niandy koa sao tsy tony ny fo
fa olon-kafa indray no tonga aloha


Refrain
Saika hitsena aho mba nanantena aho
hoe ianao efa eo niandry aho
Efa Fantatro aloha,fa tsampanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy miandry aho

Partager miandry aho

Commenter miandry aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AmbondronA

Suite