4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mankasitraka - Ambondrona

Bangoiko ho iray ’zay lalantsika hatrizay

Dia nierika aho afa-po mandroso indray

Raiketiko ho fotoana mamy ’zay vita tany aloha tany

Na fifaliana na fihafiana dia tsy hana-tsiny

Tsy nisalasala ianao haneho izay tao am-po tao

Ka niaraka namoy ny dia hoe hifankatia ary ho doria



Mankasitraka aho, hisaorako ianao

Tsy mba mahay miteny aho, ny foko no hameno

Ary hampanetre-tena

Mankasitraka aho



Nifanolotra fitia, hamakivaky ny ho avy sy

Zavona sy fanala masoandro sy hafanana ho eo ihany

Tsy nisalasala ianao, haneho izay tao am-po tao

Ka niaraka namoy ny dia hoe hifankatia ary ho doria



Mankasitraka aho............

Ho valim-pitia, ity hira ity

Ho takatry ny saiko hanehoako tokoa

Izay mba fihetseham-po dia ho feheziko ho ahy ny teny

Mankasitraka aho.

Partager mankasitraka

Commenter mankasitraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite