4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ndeha hilalao - Ambondrona

Raha reraka iny ianao

Ka raha tsy misy hatao

Raha te hanary dia

Ndeha re hilalao



Raha ny kilalao

Dia lay fanaontsika

Raha tsy tsaroanao

Lay hira sy mozika



Hivazovazo indray e

Toy izay fanao

Fa efa eo koa anie

Ny akama mpilalao

Ouuuhh, yehhh



                   Nefa anie, ts’izany no fiainana

                   Manala azy fotsiny izao

                   Mba tsy hitarainana

                   Hoe be ireo adidy

                   Fiainana mangidy

                   Ka hoy aho: ’ndeha re hilalao (4)





Fiainana tokoa anie

Tsy vitan’ny adidy

Fa raha ireo no be dia be

Ho tsapanao fa hangidy



Ka mba handramo ihany aloha

Fa tsy hanenenanao

Ary ataovy amin’ny fo

F’izay no kilalao



Falifaly foana e,

Miramirana ianao

Reo olana marobe

Hohadinonao

Ouuhhh, yehhhh



                    Nefa anie, ts’izany no fiainana

                    Manala azy fotsiny izao

                    Mba tsy hitarainana

                    Hoe be ireo adidy

                    Fiainana mangidy

                    Ka hoy aho....



Raha reraka iny ianao

Ka raha tsy misy hatao

Raha te hanary dia

Ndeha re hilalao

Partager ndeha hilalao

Commenter ndeha hilalao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite