4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maty aho - Ambondrona

Vao nahita anao  aho,dia tsy toy ny tety an-tany

Tao nafanafana be ny tato anatiko

Toa nitselatra nidobodoboka ny fo

Ianao irery ihany no nampitapy toy izany



Kanefa voafitaka aho

Tamin’ity fijerinao

Nanantena zavatra tsy ho hita

Tsy ho anjarantsika ny hiara-dia

Eto ambonin’ity tany ity





Maty aho,tena maty be mihitsy ho aho zaho

Raha vao nahita anao

Hoatry ny hipoaka mihitsy ny foko

Nitia anao an-tsokotsoko;ie!



Teny andro,nandeha koa ny fotoana

Nifankahita ihany izaho sy ianao

Toa vao maika nampirehitra ny aiko

Ny fahitako anao iny matetika isan’andro



Kanefa voafitaka aho

Tamin’ity fijerinao

Nanantena zavatra tsy ho hita

Tsy ho anjarantsika ny hiara-dia

Eto ambonin’ity tany ity



Maty aho,tena maty be mihitsy ho aho zaho

Raha vao nahita anao

Hoatry ny hipoaka mihitsy ny foko

Nitia anao an-tsokotsoko;ie!



Maty aho,tena maty be mihitsy ho aho zaho

Raha vao nahita anao

Hoatry ny hipoaka mihitsy ny foko

Nitia anao an-tsokotsoko;ie!



Mety,mety ho adalanao ’zaho

Mety,mety ho adaladala mihitsy ho aho ’zaho

Mety,mety ho tia ahy ihany ianao

Mety,mety ho azoko ihany ianao



Mety,mety ho adalanao ’zaho

Mety,mety ho adaladala mihitsy ho aho ’zaho

Mety,mety ho tia ahy ihany ianao

Mety,mety ho azoko ihany ianao



(oh,oh;an,an )x4

Partager maty aho

Commenter maty aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite