4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soga kely - Nono

Soga kely, rovidrovitra

No mba hany teny an-kodiny

Tsy mba nisy kely akory

Bodofotsy notinafiny

Ka misento ny ao am-po



Mangatsiaka re ny andro

Mamanala be tokoa

Fa nilaozan’ny masoandro

Mamirifiry hatrao am-po



Fa raha mandalo any ianao

Azafady re mba lazao

Izy hono hoe tsy maninona tsy akory

K’aza malahelo foana

Fa mbola ho avy ny fotoana

Hiverenany indray (indray)

Amin’izay fotoana izay

Ny androm-pihafiana

Ny rivo-pijaliana

Ho efa lasana avokoa

Avokoa, avokoa


Partager soga kely

Commenter soga kely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nono

Suite