4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tontolo edena - Hamy

Tontolo iray, ho volavolaiko ho antsika roa

Edena iray, hamela antsika h(o)iray ara-tsitra-po

Tanana kely, ho anao sy ho ahy

Tobin’Anjely, anjakan’ny tsikinao...



Saha mangina, ho rakotry ny entonao

Tsiky hafaliana, tsy hisy fandrarana ao anatiny ao

Ka ho ety avokoa, izay atao ao

na hoe aza isika roa, tsy ho voarara an’izao tontolo izao...



Raha toa, izany tokoa

Raha toa, ny fitiavako anao tsy nandratra fo

Raha toa, izy ireo namela antsika roa

Raha toa, izao tontolo izao, anaiky hiova fo...



Tontolo iray, ho volavolaiko ho antsika roa

Edena iray, hamela antsika h(o)iray ara-tsitra-po

Ka ho ety avokoa, izay atao ao

na hoe aza isika roa, tsy ho ota-fady, fa fifankatiavan’olon-droa...

Partager tontolo edena

Commenter tontolo edena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy