4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Felaka raozy - Hamy

Misy ho voafelaky ny raozy androany

Noho ilay efa fantatrao angamba

Mety ho voafelaky ny raozy izahay

Satria lazaina fa mandika lalana...



Ny masonay sisa afaka nifanaiky

Ny ankoatr’izay tsy azonay natao

Dia nifangalatra sombin-tsiky teny

Satria mety anisan’ireo mibedy ianao…



Satria ny anaran’i dadanay i Ralay

Ny azy kosa Farouk Alibay

Nefa i Rafika miara-milalao amin’i Lova

Fa i Fatima sanatria tsy hifampitatana aminay...



Voafelaky ny papany amin’ny raozy hono izy

Raha manaonao an’izany

Fa raha ny fony no henoiny

Efa lasa lavitr’izahay omaly...



Omaly izahay no niara-nihomehy farany

anio tonga maraina naka ahy teo ireo zandary

satria ny anarako no teo amin’ilay taratasy

norotsahin-dranomaso foy izy namoy ny ainy...



Ny masonay sisa afaka nifanaiky

Ny ankaotr’izay tsy azonay natao

Satria tsy nety niova ny tontolo iainanay

Dia naleony, naleony nandao...

Partager felaka raozy

Commenter felaka raozy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy