4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nandao akany - Hamy

Raha nandao ny akany

Hitady izay mahasoa

Dia tsarovy fa any ho any

Misy miandry anao an-tanan-droa...



Raha malahelo ka tsy tamana

Fomban’ihany izany

Ka mahereza ry akama

Fa tsy maintsy mbola hihaona indray andro any...



Na ny toerana na ny fotoana

Tsy hampanadino na hampiova

Ny fitiavana sy fahatsiarovana

Izay nisy hatrizay...



Ny tanana tsy mifindra

Fa miandry anao eto ihany

Na rahampitso, na ho taona fito

Ny fianakaviana miandry hatrany...



Ireo ranomaso narahin-tsiky

Nifanakalozana farany

Any aoriana any mbola hiova

Ho hafaliana hameno hakany

Partager nandao akany

Commenter nandao akany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy