4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tantaram-pivoarana - Hamy

TANTARAM-PIVOARANA



Fahagola ireo razam-be, niadana tokoa

Avy eo tonga ireo vazaha, avy hatrany dia “poa! poa!”

Taloha ireo vozongo tety nanjakazaka

Taty aoriana ry zareo lasa ihany namela banga ny laka...



Ry dadabe anefa tsy nifoha mba hanatsara

Ny tantara sy ny toe-karen’i Gasikara

Rahoviana indray vao hitraka ny malagasy?

Mba tena haleo-tena amin’izay, fa tsy zary an-taratasy...





Dia tonga teo “tonton” an’i Gaby sy ireo vaomiera

"De 75 à 91" nameno kibo tamin’ny afera

Nandimby azy teo, ramose toa hoe dokotera

Fa tsy nahatsabo an’i Gasikara, narary kibo fa tsy hoe kansera…



Setrin’izany niverina indray ry dadatoan’i Lita

Hoe hitondra “solution miracle”, avy eo ny “milliard” tsy hita

Rahoviana indray vao hitraka ny malagasy?

Mba tena haleo-tena amin’izay, fa tsy zary an-taratasy...





"En 2002" nanao “voter”  ny malagasy

Dia ny “moa ka tsy izany và!” hatreo nisolo hoe “Aleloia!”

Toa nihasalama nihatsara kokoa ireo zaza nafenina

Fa toa fihatsarana kely ho efaina lafo sy mety ampanenina…



Satria mbola manjakazaka foana ireo karana

Mihamaro hatrany koa ny kely maso sy ireo bora-mena

Rahoviana indray vao hitraka ny malagasy?

Mba tena haleo-tena amin’izay, fa tsy zary an-taratasy...





Tamin’ny andron’i “papy” sy “papa” be bingo ny tantara

Anjaran-tsika indray izao ry Bary no mandray anjara

Ka hifoha amin’izay ve ialahy sa mbola hiraviravy lela?

Hanofy ireo “dollars” hoanin’ny hafa sa hanangon’arirary hoa?



Ampiasao amin’izay ny loha fa mbola tsy tara

Sao ripaky ny fana-tontoloina, avokoa ireo lova

Inoako fa hitraka amin’izay izao i Gasikara

Raha tsy manaiky be fatany intsony isika, n’iza n’iza mitondra...



Raha laozan-tsika amin’izay, ny filamatry ny akamoana...


Partager tantaram-pivoarana

Commenter tantaram-pivoarana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy