4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hantamalala - Hamy

Fa indray andro any

Dia mbola ho tia ahy ianao

Fa matoa tsy androany

Dia mbola tsy namoa ao am-ponao

Ilay fitiavana nafafiko

Taona maro izay fa mbola andriko...



Hantamalala ô!

Raha tsy anio dia rahampitso

No hifankatia izaho sy ianao

Ireo masonao izay mitsoaka am-pitsikiana

Dia hibamjina ahy toy ny mijery olon-tiana

Ka tsy ho maloka intsony aho

Satria ny fitsikinao efa hitondra masoandro...



Hantamalala ô!

Nohatsarainao ny tontoloko

Zary ditra, sy ranomason’ny mpandalo

Ankehitriny ianao ihany sisa

No iriko hitantana ahy rehefa mody hariva

Fa toa tsy hiandry ela intsony aho

Satria ireo molotrao efa milaza koa hoe tia...

Partager hantamalala

Commenter hantamalala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy