4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Internet - Hamy

Amin’ny INTERNET dia vetivety,

Ny ahitana ny tsara sy ny tsary mety.

Na fianarana na koa hoe vetaveta,

Bokitra dimy ihany dia OK...

"P-O-R-N-O", "P-H-I-L-O" na "J-E-S-O-A"

Internet hoe! internet hoa! internet ve?

Ah! ah! ah! ah!



INTERNET laka tsy voafetra,

Ny any Diego miresaka @ Chicago.

Na fanomganam-panjakana na varotr’adalana,

Hita ao avokoa satria tsy tan-dalana...

IAVOLOHA, sary bakoly abotsina "MARIE-LOU"...

Internet hoe! internet hoa! internet ve?

Ah! ah! ah! ah!



Mba nanao FORUM hono ity akama.

voa-hompa tao dia tsy tamana.

Naniry mafy ny ahita sipa,

Nahapezy tokoa saingy pelaka no vita...

JE T’AIME, AGE, SEXE, VILLE... Hay ialahy PELAKA...

Internet hoe! internet hoa! internet ve?

Ah! ah! ah! ah!



INTERNET nefa mety ahasoa tokoa,

Raha mieritreritra ianao fa tsy maivan-doha.

Ny vazaha mantsy tsy vao androany,

No mandrebireby mba anjakany...

A VENDRE ICI, saka be loha...

Internet hoe! internet hoa! internet nefa...

Mety hasoa an’ialahy!

Partager internet

Commenter internet

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy