4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ingahy manana - Hamy

O ry ingahy manana e! Tsinjovy izahay fa tsy fahavalo

Fa mpiray tanindrazana e! Te ampandroso an’i Gasikara…



Hatrizay ialahy tany an-tanana foana

Tsy mba nararirary na koa hoe noana

Izahay nia-lehibe taty @ karakaina

Matetika ny kaly dia vitan’ny vary maina…



Ny mpianakavy raha kely, dia sivy isan-trano e!

Ny ankizy tsy nandia sekoly fa namboly o!



Nefa isika samy Malagasy ihany

Fa ny tany diavina no tsy mitovy

Ialahy mitsiky dia izaho miafy hatrany

Ara-jeografika ve no mahatonga izany?



Sa ny politika no mametra e!

Ary izahay voatokana ho voatsetsitsetsitra o!



O ry ingahy manana e! Tsinjovy izahay fa tsy fahavalo

Fa mpiray-tanindrazana e! Te ampandroso an’i Gasikara…



Na fotsy loha na ngita koa

Dia samy malagasy rehefa tsy vazaha

Na malama volo na hoe mainty koa

Kara-panondro ihany no ahitana fa…



Tsy senegaly na karana e!

Taranak’i Levelo na Ratovo o!



O! mba fantaro ry ingahy Filoha

Fa ho an’i Gasikara izahay tsy mba mitodi-doha

Raha mahitsy ianao tohananay hatrany

Fa raha vao tsy milay, izahay tsy hianahana



Nefa tsy rotaka na koa kalaky no ataonay fiady e!

Fa gitara sy soratra, no ataonay solo-kifafa o!



O ry ingahy manana e! Tsinjovy izahay fa tsy fahavalo

Fa mpiray-tanindrazana e! Te ampandroso an’i Gasikara…

Partager ingahy manana

Commenter ingahy manana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy