4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ramose jean faly - Hamy

Maty kendan’ny taolana omaly

Ny alikan-dRamose Je@n-Faly

Ka ho vali-faty setrin’izany

Dia ireo T-5 ampianariny no mihinana androany...



Voky menaka ve sa manaizana?

No mihanahana sahala amin’ny gana!

2 ampina 2 mira dimy!

Fantaro sy tadidio izay manombok’androany...





Toa hoe nampirafy indray omaly

Ny vady malalan-dRamose Je@n-Faly

Ka ho vali-faty setrin’izany

Dia ireo T-5 ampianariny no mihinana androany...



Tsy ampy sakafo ve sa zanaka tompon-tany?

No sahy mitabataba toy izany!

Il etait une fois nos ancetres le gaulois!

Fantaro sy tadidio izay manombok’androany...





Marary kibon’ny vary masiso tsy fohy nariana omaly

Anio maraina i Ramose Je@n-Faly

Ka ho vali-faty setrin’izany

Dia ireo T-5 ampianariny no mihinana androany...



Havanareo angaha ny prezidan’ny fokontany?

No ’ty toa sahy manohatra izany fampianarako izany!

Raha te higoka ny fandrosoana!

Minoa hatrany, minoa fotsiny ihany...





Ramose "Je@n" o!

Ramose "Je@n" hoa a!

Aza adino ilay hoe "Faly"

Asehoy izy fa aza avela hiafina hatrany...



Ka miangavy anao re!

Satria ianao no olon-dehibe

Antsoy izy ho avy ety!

Aza sakanan’izy hanodidina ny solaitra be...



Aleloia, Amen!

Ho tanteraka tokoa anie izany...

Partager ramose jean faly

Commenter ramose jean faly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy