4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny antsonao (akany fanantenana oria - Fmta)

Ny antsonao ry Tompo

no nanaitra ahy izao

niantefa tato am-poko

ka nanoa ity zanakao

hagagana re ny ahy

raha nitopy izany masoko

hazavana lehibe

no nanenika ny tavako



Soa fa teo ianao Jesoa nanome

azy fitiavana, raha tsy teo ianao Jesoa

dia ho very angamba izy ireo

soa fa teo ianao Jesoa

nanome ahy hazavana raha tsy teo ianao

Jesoa haizina no nandrakotra ahy



Mino aho ry Jesoa sy ireo hafa

ankoatra ahy

dia toloranao fitiavana

mba hanaitra ny fanahy

hahafahany mijoro

sy mitory indray anao

mandrapahatonga ilay

paradisa iray vaovao



Soa fa teo ianao Jesoa

nanome azy fitiavana

raha tsy teo ianao Jesoa

dia ho very angamba izy ireo

soa fa teo ianao Jesoa

nanome ahy hazavana

raha tsy teo ianao Jesoa

haizina

no nandrakotra ahy

Partager ny antsonao (akany fanantenana oria

Commenter ny antsonao (akany fanantenana oria

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fmta)