4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fito andro - AmbondronA

Fito andro

Nisaiko ireo fotoana izay efa nandalo
Izany koa f'iny ianao any ho any
Herinandro izay fito andro androany

Alatsinainy ianao niandry ahy mba handalo
Tsy tonga aho talata anefa ny andro
Alarobia tontolo tezitra angaha

Nefa izaho aty malahelo tsy afa-miantso
Tsindrian-daona mbola tsy vita foana ireo kandra miandry
Na torimaso aza aho tsy hisy akory
Maraina indray vao mba matory

Tsy niniako, fa te hanao izay tiako aho
Tsy misy mihitsy na dia fotoana firy tsy nahitako anao
Niandrandra aho, tsy tafandry efa fito andro

Alakamisy niezaka niaritra aho
Tsy mba nisy zoma mahafinaritra
F'efa te-hody nony asabotsy

Androany anio aok'izay ho avy any aho
Hivavaka aho ary hihaona aminao
Fito andro izay alahady androany

Nefa izaho aty malahelo tsy afa-miantso
Tsindrian-daona mbola tsy vita foana, ireo kandra miandry
Na torimaso aza tsy hisy akory
Maraina indray vao mba matory

Tsy niniako, fa te hanao izay tiako aho
Tsy misy mihitsy na dia fotoana firy tsy nahitako anao
Niandrandra aho, tsy tafandry efa fito andro

Nefa izaho aty malahelo tsy afa-miantso
Tsindrian-daona mbola tsy vita foana, ireo kandra miandry
Na torimaso aza tsy hisy akory
Maraina indray vao mba matory

Tsy niniako, fa te hanao izay tiako aho
Tsy misy mihitsy na dia fotoana firy tsy nahitako anao
Niandrandra aho, tsy tafandry efa fito andro

Tsy niniako, fa te hanao izay tiako aho
o ianao nao o o o o
Efa ela ihany vao tonga ilay fito andro
Fito andro Fito andro Fito andro Fito andro

(Mboux)
(P) DO SOL 2005

Partager fito andro

Commenter fito andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AmbondronA

Suite