4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vetson'ny ankizy - Patty

VETSON’NY ANKIZY



Iriana fatratra izahay ankizy

Matesana isan’andro raha tena tiana

Fa rehareha raha tsara taiza

Omena zo tokoa fa ho mpandimby



Fiv: Indraindray anie toa foinareo

      Raha tojo’ny adim-piainana ianareo

      Aza ampisiana raha ampahoriana

      Tsy sitrapony anie ny fijaliana



Maro ireo namanay mba te hifaly

Ny maso no mipitra, tsy misy hiantana

Toa feno henatra manjohy ireo manana

Ireo fako no mpanafina



Ny fahatsoranay, ny halemen-dehibe

No nanodinana ireo namanay

Eny, voafitaka sy simba fiainana

Koa aza ampahoriana, aza hakiviana



Mba fantatrao moa ry Gasikara

I Etiopia sy i Somalia

Tsy sitrapony anie ny hamoy ny ainy

Noho ny tsy fahombiazam-pitondrana

   PATTY (Ny Ainga)

Partager vetson'ny ankizy

Commenter vetson'ny ankizy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty