4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dingam-piainana - Patty

DINGAM-PIAINANA



Ny fiainako lasa toa miova ankehitriny

Tsy te ho zaza nefa mitaky tambitamby

Ny fakana tahaka no mitambesatra

Tsikera sy eso no nasetry ahy ho solom-pitia

K’hiraiko izany mba ho tantaram-piainako

Mba hampitraka antsika namako

Ka hahalalanareo izay manodidina ahy

Fa tena saro-pady raha ny taonako

  ’Reo noheverina ho ditrako

  Ny hetahetam-pitomboako

  Tsaroako nisy fahabangana

  Ny fitiavako



Ny rehi-pitiavako misy manararaotra

Ny fihetsika  hasehoko no hanehoako izay mba hevitro

Tsy firy anefa no mahafantatra ahy

Ka rakotry ny aloka ’lay endriko mibaliaka

Koa miverena ianareo ry dada sy neny ô

Toroy ny tsara aho razoky

Nareo ry manodidina ahy no tena taratro

Hanampy ahy amin’ny tanjom-piainako

  Reo noheverina ho ditrako

  Ny hetahetam-pitomboako

  Nasehoko ireo fahosako

  ka tantano (2x) an an aaaa ou o

  Ka tantano.



PATTY (Ny Ainga)

Partager dingam-piainana

Commenter dingam-piainana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty