4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ankiniko - Patty

ANKINIKO



Ray ô, manirery aho miandrandra Anao mangina

Mafy ny fiainam-pitiavako niainako iny

’Zay nantenaiko, ratra ao am-po

Dia vavaka, irery, tomany no anjarako

Tompo ô, Andriamanitro Ianao, mafy ny efa nentiko

Mafy Andriamanitra ô

Ankiniko aminao ny fiainako,

Andriamanitra ô, atolotro Anao ny ranomasoko.



Fiv: Fa fitiavana iny ranomasoko iny

      Fitiavana ireny fahalemeko ireny

      Fitiavana iny niaretako iny

      Ireny fihafiako ireny: fitiavana.



Ray ô mino mafy aho fa tsy avelanao irery

Ireo ranomaso manginako ny alin’iny

Mino aho ny ampitsoko, mino aho Tompo ô

Dia matoky fa mba hipoitra masoandroko

Niezaka aho hitia, ho tokam-po hatrany

Nefa toa very dia tsy mba nahita ny mamy

Niezaka aho hikiry, nanjohy an’azy hatrany

Fa ny lalako iny, lasa tomany.

Fiv: .....



  Tsy olona iray ahasambatra ahy no tena iriko Tompo

  Fa olona iray hotiaviko mandritra ny fiainako



Tantano ny lalako Tompo

Tantano ny ampitsoko

Hanana ny anjarany

Ankiniko aminao tsy foiko

Omeo izay ho anjarany.



PATTY (Ny Ainga)

Partager ankiniko

Commenter ankiniko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty