4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - Patty

NENY

Ny fiainanao indray ry Neny

no ampanakoina hotsaroana

Fa raha sendra mitaraina fa feno alahelo

manambitamby ianao.

Raha ny feonao no miantso

Dia ampy hampitony ny fo, ny ranomaso

Fa anarana tsy foiko, ary fiainana hotsaroako

Ny tantaranao, ry Neny ô



Fiv: Ry Neny ô, ry Neniko (2x)



Zovy moa no tsy hijery ireo fihafianao, ry neny

Na i dada aza moa dia mbola mitady ny safosafonao

Tsapako fa miady irery raha tojo ditram-bady

noho ny hatsoranao

Be fitia ianao, ry Neny

Ka matetika misotro ilay rano tsy tiana ô



Omeo azy re ry Tompo

ireo zato heny avy aminao

Mba ho saotra atolotra azy

fa sarobidy loatra izay niaretany

Ary ny fahendrenay no zary hafaliana

Hanenika ny fony

Fa anarana tsy foiko ary fiainana hotsaroiko

Ny tantaranao ry neny ô

PATTY (Ny Ainga)

Partager neny

Commenter neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty