4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vaovao mahafaly - Patty

VAOVAO MAHAFALY



(Ray ô, raha mbola misy ihany ny mino Anao,

Tsy ho levona izao tontolo izao)



Aleloia (8)



Masoandro vao maraina miposaka

Mitosatosaka ny rano an\\’ala ao

Tontolo iainana madio ô

Vaovao mahafaly izay anio ô



Aleloia...



Na mieli-patrana any ny fitaka

Na miparitaka ny olon-dratsy ety

Mbola misy olo-marina tokoa

Vaovao mahafaly izay atao am-po



Aleloia...



Izaho dia tsy mba mino ity fiainana

Izay itarainana ho ratsy avokoa

Fa ny fiainantsika mbola ho soa

Vaovao mahafaly inoako ao am-po.



Aleloia...

        PATTY (Ny Ainga)

Partager vaovao mahafaly

Commenter vaovao mahafaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty