4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fandeferana - Patty

FANDEFERANA

Fitenintsika matetika:

izay mangina volamena

Tsy midika akory ho faharesena

Ny fandeferana mantsy

maneho ny tena fisainana

Fa ny tendrom-po tsy mba namana.

Irony tsihy hono mantsy

Dia ho fola-mandefitra

Toy ny laferana mandin’izay milefitra

Tsy hisy rà mandriaka, ho foana ny fonja

Raha manjaka ny fandeferana



Ianao ry fandeferana

Mahareta am’izay mitia haneho fahendrena



Beazo aho Tompo

mba hahay handefitra

Toy ny namelanao ireo namadika Anao

Handresy ny fankahalana

Ka ho vontom-pitiavana

Dia ho tara-pandeferana.



Ianao ry fandeferana

Mahareta am’izay mitia haneho fahendrena

Ekeo, fa tsara ny maha-olona

Sikajiana tsy mba mandray.



PATTY (Ny Ainga)

Partager fandeferana

Commenter fandeferana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty